<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>R. Lowry</author>
<hymn_number>358</hymn_number>
<title>He! Ry namako mahantra FFPM358</title>
<lyrics>[V1]
 He ! ry namako mahantra,
 Indro Jeso Tompo tia,
 Ilay Mpamonjy feno antra,
 No mitady ny mania ;
 Olom-bery tsy mba foiny,
 Ka na diso aza re,
 // Mbola tiany sy antsoiny
 Hanam-pifaliam-be //

[V2]
 He ! fa tsy mba misy fetra
 Ny homena lova soa
 Fa ny olona rehetra
 Samy tiany avokoa ;
 Nefa izay be hataka andro
 Dia hanenina tokoa ;
 // Misy fetra ny fotoana
 Azo amindrana fo //

[V3]
 Manatòna ankehitriny,
 Ry mpanota ory fo !
 Mba hesoriny ny tsiny
 Ka hadio indray ny fo ;
 Fa ny ota hosasany
 Dia ho afaka avokoa,
 // Izany re no fikasasny
 Ka tsy maintsy to tokoa //

[V4]
 Fa izay mandà ny teny
 Sy maditra, mafy fo,
 Hampangain'ny teny reny,
 Fa tsy nety nakatò ;
 Jeso Tompo no hitsara
 Sy hamaly ny natao,
 // Nefa kosa ny anjara
 Dia miankina aminao //</lyrics>
</song>